Voalohany, dia miarahaba ny Malagasy tonga soa eto amin’ny Facebook! Arahabaina isika rehetra nahazo fahazarana(-dratsy) hafahafa eto amin’ny tamba-jotra sosialy antsoina hoe Facebook. Dia mifandimby manao Like, J’aime, Tiako ... Ny facebook moa dia misy tranga na zavatra tsara, vaovao, manaitra na dia iaraha-mahita fa tsy marina sy tsy mitombina. Rehefa “marimarina “ dia izay no zava-dehibe. Isika eto mantsy tsy maintsy taitaitra amin’ny zavatra tiana iray. Tsy voatery hoe tsara fa mba ohatran’ny “tsaratsara” fotsiny e. Dia sady mitehaka no mifaly amin’ny zavatra mitranga rehetra manodidina. Dia avy eo mametraka hafatra kely (commentaire) dia mizara izay tsy maharitra...sy ny sisa. Fa eto amin’ny facebook koa dia fadiana ny tsy miombokevitra amin’ny daholobe satria tsy misy ny hoe “I don’tlike, J’aime pas, tsy tiako ity…”. Eto dia averina zaraina sy tantatraina izay zarain’ny daholo be ary tsy ilaina akory ny hevitrao satria facebook ity fa tsy fitsapakevibahoaka. Raha manaposaka hevitra mifanohitra amin’ny daholo be inao dia hisy hiteny hoe mpialona, mpankahala, vendrana, miseho milay, na olona miana-kedry ka manao fanahy iniana manakorotana, amin’izay angamba mba betsaka ny mamosaka hevitra sy manohitra. Eto amin’ny Facebook dia tsy maintsy ny olona eken’ny be sy ny maro ho henjana indrindra na tampo-pahaizana amin’izao sy izao no manana zo hiteny sy hizara voalohany ny zava-mitranga rehetra. Mazava hoazy raha miteny ianao nefa tsy olona "tampo-pahaizana" dia na tsy misy mijery, na misy mijery sy miresaka fa manetry sy manebaka anao. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy ambara amin’ny be sy ny maro ny antony nizarana ilay tranga, satria tsy ianao ilay olona an-"tampo-pahaizana". Mety amin’ny kolotsaina Malagasy tsara io satria isika tia manetry tena.
Faharoa, manana fahazarana vaoavao koa isika. Rehefa mihaona amin’olona tsy mbola fantatra dia tsy manontany intsony izao hoe: firy ny laharana ahazahoana anao? Na koa hoe aiza ianao moa ianao no mipetraka? Fa lasa hoe: manana facebook ianao? Na tsy anontaniana intsony aza ho an’ny sasany fa ilazana fotsiny hoe “jereko ao amin’ny facebook ianao”. Lasa tokotany filalaovana sy fihaonana amin’olona ny Facebook. Misy olona mbola tsy hitanao hatramin’izay niainanao aza mangataka ny ho namanao. Asa na inona no tena hevitry ny hoe namana eto amin'ny Facebook? Hoavy ny fotoana ka tsy ho tadidin-tsika intsony ny atao hoe miresaka sy mihaona amin’olona. Ho very tsy hoe ela koa ny atao hoe "manana namana".
Fahatelo sady farany. Eto amin’ny facebook no fanaovana dokam-barotra tsotra indrindra, dia tafalatsaka daholo ny Malagasy satria tsy nampianarina, nofanina, na nomanina mikasika an’izany. Aza hadino fa isaky ny manindry rohy (link) iray ianao dia misy mampiditra vola na manaparitaka hevitra any ambadika any. Ohatra: raha manana hevitra iray aho ka tiako haroso ho hitan'ny be sy ny maro dia $5 (Ar. 12,000) dia ampy hanaparitahako azy amin’ny olona 1000 eo ho eo (na 1000 clicks) . Diniho amin’izany fa raha handany vola handambolamboana ny vahoaka Malagasy aho ka hilaza lainga sy atsanga tsy aman’orana, ohatrinona dia ampy? Eto dia toy ny kisoa atavizina ny mpikambana rehetra: ny vala-kisoa maimai-poana, ny sakafo tsy andoavam-bola, ny mpiray fisoko (namana) betsaka, aza hadino nefa fa ny henakisoa (isika) no amidy. Tongasoa eto amin’ny facebook ry namako a!

Ze be resaka @ Fetsyboka ihany ange no malaza @zao e, de mahazo seza avy eo!
ReplyDeleteBest eCOGRA Sportsbook Review & Welcome Bonus 2021 - CA
ReplyDeleteLooking for an eCOGRA Sportsbook apr casino Bonus? At this eCOGRA kadangpintar Sportsbook review, we're talking worrione.com about https://deccasino.com/review/merit-casino/ a septcasino variety of ECCOGRA sportsbook promotions.
“Operator” means a retailer who operates a sport promotion or any particular person, agency, company, group, or association or agent or worker thereof who promotes, operates, or conducts a nationally advertised sport promotion. Except for fast bingo prizes, that are limited to the amounts displayed on the ticket or on the sport flare, there shall be no 카지노사이트 more than|not more than} three jackpots on any at some point of play. “Bingo card” means and again to the} flat piece of paper or thin pasteboard employed by players engaged in the sport of bingo. The bingo card shall have not fewer than 24 half in} numbers printed on it. These half in} numbers shall range from 1 via seventy five, inclusive. More than one set of bingo numbers could also be} printed on any single piece of paper.
ReplyDelete