Tongasoa eto amin'ny nosy Madagasikara ianareo.
Izahay eto dia efa miady amin'ny kolikoly, ny tsy fahaiza-mitantana ny harena voajanahary, ary efa mangarahara tanteraka ny fitantanana raharaham-panjakana. Aty aminay ny mpanohitra aza manohana fitondrana; ny mpanao gazety mahazo miteny izay tian'ny mpitondra tenenina; ny vahoaka mitehaka sy mikisakisaka rehefa mirimorimo ny fiaranay mitondra anay mandeha miasa. Aty aminay izany fihavanana izany no zavatra ambony indrindra, ka ny havanay sy ny namanay no antsoinay hiara-mitondra firenena aminay. Tonga soa ianareo e! Sady mandrosoa fa milamina aty. Tsisy izany asan-jiolahy na dahalo na fandrobana vahiny izany; tsisy fifamonon'ny samy gasy izany any atsimo na iza na iza hanafatra basy eo.
Tonga soa e!

Post a Comment